Zaraiko de Olombelo Ricky

Zaraiko de Olombelo Ricky

Avelao 'zaho hokotsain'reo alahelonao, br Raha mbola misy fo tsy mety mitempo fitia br Avelao 'zaho holena ireo ranomasonao, br Raha mbola misy tanana tsy mifandray mihintsy br Avelao 'zaho hisento mandrakizay 'zaho, br Raha mbola misy foana ny elanelana mandrava br Avelao 'zaho hitomany ho'aho 'zaho, br Raha mbola misy marina tsy voalazan'ny vava br br Hozaraiko aminao izay an'ahy, br Hozaraiko fa misy fanahy br Hozaraiko aminao izay an'ahy br Hozaraiko fa feno fitiavana br Hozaraiko aminao izay an'ahy br Hozaraiko fa feno fihavanana br Hozaraiko aminao 'zay an'ahy br Hozaraiko fa aza manahy br br Avelao 'zaho hopotika tsy hisy intsony (avelao 'zaho, avelao 'zaho) br Raha ohatra ka mbola tsy mandihy foana ny fony br Avelao 'zaho ho levona,ho rava mihintsy (avelao 'zaho, avelao 'zaho) br Raha ohatra ny fitiavanao efa ts'isy br Avelao 'zaho hangina,hangina tsy hiteny (avelao 'zaho, avelao 'zaho) br Raha ohatra ny fonao efa mihatery br Avelao za am'izao fotsiny eo, br Raha ohatra ianao manomboka efa leo br br Raha ohatra ka fitiavana ny resaka br Raha ohatra ka tena fitiavana ny resaka br Ra ohatra ka fihavanana ny resaka br Raha ohatra ka tena fihavanana ny resaka br br Te-ho namanao anie aho... br Hozaraiko aminao e,hozaraiko aminao br Raha ohatra ka fitiavana ny resaka, br Raha ohatra ka fihavanana ny resaka; br Diz ora iray monja,segondra iray monja br Dia afaka manova ny fiainantsika sy ianao br Ho any amin'ny tontolo ts'isy disadisa br Toa ohatran'ny hoe ohatraohatran'ny paradisa br Raha FITIAVANA ny resaka br Raha FIHAVANANA ny resaka.


User: n.n. aka neny

Views: 23

Uploaded: 2009-05-10

Duration: 05:15

Your Page Title