Ny Mpitory - Raha sitrakao

Ny Mpitory - Raha sitrakao

Raha sitrakao (Miharilaza Andriamiadamahatratra)br br Raha sitrakao Jeso toneo ty fo tomanybr Torovandrovan-tsentosento sesilanybr Tsy miafin’Aminao injao fa te hitroatrabr Handa ny tendrinao tsaroako mafy loatrabr Fa ny kapoaka avy aminao tsy maintsy hosotroinabr Raha azonao atao mba satriko ho soloinabr Kanefa ngotingoty ihany izany fa ny sitrakao br Ny sitrakao irery anie Jeso no hataobr br Ny hany iangaviako Anao Jeso malalabr Tolory hery aho mba tsy hisalasalabr Fa hiantoraka eo an-tratranao no hitalahobr Sy hahaizako miatrika ady vaovaobr br Anefa moa avy Aminao sa avy aiza ?br Ity fiainana mangidy ity Sakaizabr Mba tendrinao sa valin’otako tokoabr Fa toa manonjanonja efa tsy ho tohabr Hifonako Aminao re Jesosy ny fahotakobr Manimba fo tsy mahasoa ka hialakobr Na tendrinao na valin’ota izao mianjady amiko izaobr Matoky aho fa Ianao Jeso dia tsy mba mandaobr br Tsy haoko akory ny ho sambatra eto an-tanybr Raha toa ka tsiro-pahotana hatrany ihany br Toa manodoka am-piandohana fa mafaitrabr Ny fihafarany ka mihatra vao manaitra


User: ♫ndr♫in♫

Views: 51

Uploaded: 2012-01-22

Duration: 04:07

Your Page Title