Ry Olomasina tsaroana (Hira fanevan'i Md Jacques Berthieu)

Ry Olomasina tsaroana (Hira fanevan'i Md Jacques Berthieu)

Amin'ny 21 oktobra 2012 izao àry no hananganana ho Olomasina ny Olontsambatra Jacques Berthieu. Samia miomana hankalaza an'Andriamanitra miaraka amin'ny Fiangonana manontolo amin'io andro io. Dia mirary zotom-po sy herim-po hiarovana ny finoana sy ny marina ary ny masina eo amin'ny fiainantsika andavanandro. Miombom-bavaka.br Ry Md Jacques Berthieu, mivavaha ho anay, ho an'i Madagasikara, ho an'ny Fiangonana ary ho an'izao tontolo izao!br br Tononkira:br br 1. Ry Olomasina tsaroanabr Vavolombelon'ny finoanabr Na dia natahotra ho fatybr Hita ho nisotro ny aleoko matybr Ka tsy niahotra na kelybr Tsy nitaraina velivelybr Loza raha matimaty foanabr (F'ianao) maty nijoro tam-pinoanabr br Ry Jacques Berthieubr Vavolombelonabr Ny fiainanao maneho finoana velonabr Ampionao izahay mba hino ihany koabr Hijoro ka hiray fa mpianatr'i Jesoabr br 2. 'Lay misionera igaganabr Tsotra mitepo fo mafanabr Maika hamonjy ny mararybr Hontsa an'ireo natao fanarybr Nitety toeran-tsesehenabr Nanentana ny fambolenabr Fa hamonjy ny olo-manontolobr (No tanjona) tanjony mba ho an'ny daholobr br Ry Jacques Berthieu tia fihavananabr Ny fiainanao nanehobr Fitiava-namanabr Ny ohatra entinao dia lalan-tsoa tokoabr Ho anay havanao br Mba ho voavonjy koabr br 3. Narovanao ireo vehivavy br Tamin'ny Menalamba be fiavybr Ianao niseho saro-piarobr No naharomotra ny marobr Ka noratraina ianaobr Nanaovana ny tsy fanaobr Loza ny asan'ny satanabr (F'ianao) masina tsy isalasalana br br Ry Ray be fitia Andriamanitraybr Ry Zanak'i Maria, Jesoa Zokinaybr Misaotra Anao tokoa fa ny Fanahinaobr No niaro mba ho soa ity mpanomponaobr br AC: P.


User: Tsimiziva

Views: 135

Uploaded: 2012-06-07

Duration: 04:45